Ary Davida nampandeha ny olona, ka ny ampahatelony nofehezin’ i Joaba, ary ny ampahatelony nofehezin’ i Abisay, zanak’ i Zeroia, rahalahin’ i Joaba, ary ny ampahatelony kosa nofehezin’ Itahy Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny vahoaka: Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa.